<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>I.B.Woodbury</author>
<hymn_number>686</hymn_number>
<title>Maniry izahay FFPM686</title>
<lyrics>[V1]
 Maniry izahay
 Ho any aminao,
 Jerosalema tanànanay,
 Tanàna masina ;
 Ny trano lay atý,
 Tsy maintsy rovitra,
 Kanefa tazanay erý
 Ilay tsara lavitra ;
 Tazanay, tazanay
 Ny tany masina.

[V2]
 Mba tanterahonao,
 Ry Tompo tia anay !
 Ny fikasan'ny Zanakao
 Nataony taminay ;
 « Ho any amiko
 Izay nomenao Ahy,
 Fa tiako ho hitany
 Ny voninahitrao »
 Tazanay, ..sns.

[V3]
 Mankany aminao
 Izao ny dianay,
 Na sarotra ny làlana,
 Mihira izahay ;
 Ny hasasaranay.
 Tsy misy intsony izao,
 Fa tazanay sahady re,
 Ny tany masina :
 Tazanay, ..sns.</lyrics>
</song>